Kristy fiainantsika

Aza matahotra ny hiavaka, aza miray petsapetsa amin'ny asan'ny maizina


Aza matahotra ny hiavaka, aza miray petsapetsa amin'ny asan'ny maizina
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Aza matahotra ny hiavaka, aza miray petsapetsa amin'ny asan'ny maizina

""... ary amin'izany dia gaga izy ireo, satria tsy miara-mihazakazaka aminy ianareo amin'izany fanaranam-po amin'ny ratsy izany, ka dia teneniny ratsy""

Miara mirona ! Izany no fanaon'ny olon'izao tontolo izao, manaram-po amin'ny fanaovan-dratsy ary misy olona maro mitonona ho kristiana voasingotra amin'izany koa! Any am-piasana any misy miara-mangalatra, miara manao kolikoly, miara misotro toaka, miara mijangajanga ... Eo anivon'ny fiaraha-monina dia misy ny fiarahana manompo sampy, manompo razana ... Rehefa tsy miaraka aminy ianao satria mijoro amin'ny finoana dia mahagaga azy, ohatrn'ny ianao indray no tsy manara-dalana, tahaka ny mpanoa riana. Aza gaga ary aza taitra ny amin'izany, aza menatra ny hijoro ho vavolombelon'ny Tompo!


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

16 novembre 2025

5 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro