Aza mba saro-tiavina

Thème du mois : Mpandresy ny Tompo
Aza mba saro-tiavina
"Indrisy! firenena mpanota, olona mavesa-keloka, Taranaka mpanao ratsy, zanaka mpanao meloka! Efa nahafoy an'i Jehovah izy, ..."
Fa iza moa izany firenena izany? Ilay firenena tokana nahavahan' Andriamanitra ho Azy, ho firenena masina. Ny Zanak'Israely olom-boafidin'Andriamanitra izany! Fa maninona no dia nanambany tena toy ny adala? Nandraraka ilo mby an-doha? Ilay notiavina manokana indray no nahafoy an' Andriamanitra? Lasa mpanao ratsy!
Ny Zanak'Israely ihany ve no saro-tiavina toy izany? Valio fitiavana ny fitiavan' Andriamanitra anao. Foiny manontolo ho anao ny Zanany! Dia hotohizana ihany ve ny fahotana?
🤲 Vavaka:
Ity firenena malaza ho kristiana ity anie mba hahalala sy hanaiky tokoa an'i Jesoa ho Tompo, Ilay maty teo amin'ny hazo fijaliana hamonjy ny Malagasy. Amen
Mombamomba
17 avril 2026
156 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Tahinasoa