Kristy fiainantsika

Aza mety ho resin'ny fahoriana


Aza mety ho resin'ny fahoriana
Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo

Aza mety ho resin'ny fahoriana

""... nampahery ny fanahin'ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin'ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin'ny fahoriana be no idirantsika amin'ny fanjakan'Andriamanitra""

Saika matin'ny tora-baton'ny vahoaka Paoly teto rehefa nitory filazantsara. Fampidirana ny olona amin'ny fanjakan' Andriamanitra no nataony. Izay mibebaka dia tsy mijanona ho olon'ny fanjakan'ity tany ity fotsiny fa nateraka indray vao tafiditra amin'ny fanjakan' Andriamanitra. Ny fahaterahana ara-dalàna dia tsy maintsy miaraka amin'ny fahoriana be sy fanaintainana. Hoy Jesoa : "Hitomany sy hisaona hianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary hianareo halahelo, nefa ny halahelonareo hody fiafaliana". "Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana..." hoy Jesoa. Naharesy Izy; ianao koa aza mety resin'ny fahoriana ka lasa kristiana mihatsaravelatsihy.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

10 octobre 2025

8 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro