Aza miandry ho trotraky ny adin-tsaina vao amiverina amin'ny sitrapon' Andriamanitra

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Aza miandry ho trotraky ny adin-tsaina vao amiverina amin'ny sitrapon' Andriamanitra
""Atao anie ny sitraponao ety an-tany ...""
Nihevi-tena ho mahay noho Andriamanitra isika ka nanao izay tiantsika atao. Dia tahaka ireo olona nividy fitaovana vaovao sy tsara saingy tsy nanaraka ny toro-marika. Korontana, fatiantoka, fahoriana no vokany.
Rehefa manao ny vavaka nampianarin'i Jesoa isika dia manaiky hanantanteraka ny sitrapony, rehefa tanteraka ny sitrapony dia samy mahazo ny sakafo sahaza ho azy ny tsirairay.
🤲Vavaka :
Mivavaha mba hahatonga ny kristiana hanetri-tena hanao ny sitrapon' Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra
Mombamomba
2 février 2026
11 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor