Aza mijanona amin'ny mahazatra sy ny mahafinaritra fotsiny fa misondrota kilasy

Thème du mois : Mitari-dalana ny Fanahy Masina
Aza mijanona amin'ny mahazatra sy ny mahafinaritra fotsiny fa misondrota kilasy
""Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho any aminareo Izy""
Satrin'ny mpianatra hiaraka aminy mandrakariva ny Tompo. Tahaka ny mpianatra tsy maintsy misondrotro kilasy isika. Tsy mahazo mijanona amin'ny mahazatra sy mahafinaritra. Mandroso amin'ny lalina kokoa, amin'ny sarotra sy ny mafimafy kokoa, eo no miditra an-tsehatra ny Fanahy Mpananatra.
Ireo mpianatra kanosa sy marefo amin'ny finoana dia tonga feno fahasahiana taorian'ny Pentekosta. Ho anao koa izany Fanahy Masina izany.
Mombamomba
30 mai 2025
13 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor