Kristy fiainantsika

Aza misalasala manantona Azy


Aza misalasala manantona Azy
Thème du mois : Olomboaantso ny mpino

Aza misalasala manantona Azy

""... fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota""

Inona intsony moa no iantsoana ny marina? Tsy misy na inona na inona ibebahany intsony. Ny Romana 3:10 dia manao hoe : "... Tsy misy marina na dia iray akory aza". Inona no anton'ny nahatongavan'i Jesoa tety an-tany? Hoy ny anjely "... ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin'ny fahotany" - Matio 1:21 MG1865 . Vaovao mahafaly izany, misy fanantenana ho an'ny mpanota.

Ny fahotantsika no efitra mampisaraka antsika amin' Andriamanitra, izany no mampiafina ny tavany amintsika, fa ny tanany tsy fohy fa mahavonjy ary ny sofiny tsy lalodalovana fa mahare (Isaia 59:1-2). Aza misalasala manantona Azy


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

26 juillet 2025

5 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro