Kristy fiainantsika

Aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka


Aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka

""Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka""

Izay manandra-tena no haetry. Rehefa tsy manana an'i Jesoa eo amin'ny fiainana ny olona dia mora mihebohebo sy mihevi-tena ho zava-tsoa. Vao mba mitonmbo harena na fahaizana na voninahitra dia jamba, tsy mahita an' Andriamanitra loharanon'ny fitahiana rehetra, tsy mahay mankasitra Azy. Na ny fitempon'ny fontsika aza anie ka tsy avy amintsika fa fahasoavan' Andriamanitra e! Aza manandran-tandroka, aza miteny sahisahy atosiky ny firehetam-po sao aetrin' Andriamanitra vao tonga saina. Manahafa an'i Jesoa, Ilay Tompon'ny tompo nietry mba hamonjeny ny olombelona. Izany no tena fiainana.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

30 novembre 2025

9 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro