Aza mora ambakaina, tohero ny devoly

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Aza mora ambakaina, tohero ny devoly
""Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly""
Mahazo antoka ny famelan-keloka sy ny famonjena ve ianao? Mino ve ianao fa voasoratra any an-danitra ny anaranao? Raha eny dia tsara tokoa izany. Tsarovy nefa fa manam-pahavalo ianao, te hanaisotra izany fanomezana sarobidy efa azonao izany izy, te haka ny satraoboninahitra eo an-dohanao ary te handoto ny akanjo fotsinao. Tafio avokoa ny fiadin' Andriamanitra tanisaina eo amin'ny Efesiana 6 : 14 - 20
Fetsy ratsy ny devoly fahavalo, mpanangoly, mpamitaka, mampilendalenda fahafinaretana, tombotsoa, voninahitra ... Aza mora ambakaina, tohero izy
Mombamomba
8 août 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor