Kristy fiainantsika

Aza tara sao hanenina


Aza tara sao hanenina
Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo

Aza tara sao hanenina

"... mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, ... , sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray"

Na iza na iza mino, na iza na iza tsy mino, tsy maintsy hiaiky avokoa ny olona rehetra fa Jesoa no Tompo, na dia ireo nandefona Azy aza. Tsy fanekena hitondra ho amin'ny famonjena intsony nefa izany fa ho amin'ny fandatsana sy fanenenana mandrakizay. Ankehitriny, mbola afaka mibebaka sy mampiasa ny fahefana nampindramina anao araka ny sitrapon' Andriamanitra ianao, manomboka amin'ny andraikitry ny raim-pianakaviana izany. Manampy anao hanaovanao ny andraikitrao eto amin'ity tany ity araka ny sitrapony Andriamanitra. Mahereza!

Vavaka:

Manomboka amin'izao ankehitriny izao anie dia samy hanaiky Anao Jesoa ho Tompo izahay. Amen!

🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 30 juin 2026

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

30 juin 2026

115 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Mihossiraman

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro