Banjino ny lalantsara izoranao

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Banjino ny lalantsara izoranao
""Miantombena tsara miandry an'i Jehovah ianao ka manantenà Azy; Aza tezitra amin'izay ambinina amin'ny lalany ...""
Aiza ny lalan-kizoranao? Mpanara-dia an'i Jesoa ve ianao ary mandeha amin'ilay lalan-tery sady ety mankany amin'ny fiainana sa miara-mirona amin'ireo maro an'isa mirodorodo ho any amin'ny fahaverezana? Aza mampitaha ny tenanao amin'ny ratsy toa ambinina amin'ny lalany; tsy mitovy ny tanjona, ny azy dia mijanona hatreo amin'ny varavaram-pasana fa ny anao kosa ny mandrakizay. Inona koa no hahatezitra amin'izany? Izy ireny aza no tena mampalahelo. Banjino ny lalantsara izoranao
Mombamomba
26 novembre 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor