Kristy fiainantsika

Efa nanolotra ny sarobidy indrindra Andriamanitra, ho afa-maina ve izay mandà izany?


Efa nanolotra ny sarobidy indrindra Andriamanitra, ho afa-maina ve izay mandà izany?
Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra

Efa nanolotra ny sarobidy indrindra Andriamanitra, ho afa-maina ve izay mandà izany?

""Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin'izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon'ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany""

Raha efa natolotra ny sakafo fa ilay noana no tsy mety mihinanan an'iza ny tsiny raha maty mosary izy? Fa maninona no tsy mety mihinana? Heveriny fa misy poizina ilay atolotra azy na tsy mety mihinana afa tsy izay fihinany mahazatra azy fotsiny izy. Tsy mety manoka-bava hihinana fanafody ilay marary mafy, raha maty izy, iza no melohina?

Efa tonga tamin'izao tontolo izao ny mazava, efa vonona ny sakafo, efa io ny fanafody, Jesoa mofon'aina, manafaka ny fahotana mampisaraka antsika amin' Andriamanitra. Maro no tsy manaiky! Efa nanolotra ny sarobidy indrindra Andriamanitra, ho afa-maina ve izay manda izany? Tsia! Ny fanamelohana mafy indrindra no miandry azy.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

7 décembre 2025

6 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro