Kristy fiainantsika

Efa nekenao haloan'i Jesoa ve ny tambin'ny otanao?


Efa nekenao haloan'i Jesoa ve ny tambin'ny otanao?
Thème du mois : Mpandresy ny Tompo

Efa nekenao haloan'i Jesoa ve ny tambin'ny otanao?

"Hoy Jesoa : "... fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo ... Fa raha ataony amin'ny hazo maitso izany hatao ahoana amin'ny maina?" "

"Fahafatesana no tambin'ny ota". Dia nampiharina tamin'i Jesoa, Ilay "hazo maitso" ny faratampon'ny fampijaliana sy ny famonoana mahatsiravina ho tambin'ny ota nataontsika. Fa raha tsy noraisinao tamin'izany ny tambin'ny otanao, raha tsy mbola noraisinao tamin'izany ny onitry ny fahotanao, raha tsy mbola voaloa tamin'izany ny sazinao, ahoana ny fampijaliana tsy maintsy hihatra aminao izay atao hoe "hazo maina"? Toa miteny Jesoa hoe : ny Ahy vitako, fa ny anao sy ny zanakao, ho zakanao ve? Tsy maintsy misy tambiny ny ota. Fibebahana manao ahoana no andrasana aminao raha izany no nihatra tamin'i Jesoa. "Mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo"

🤲 Vavaka:




Jesoa ô, hazavao ny sain'izay rehetra mihevi-tena hoe "tsy maty manota" ka miziriziry tsy mety mibebaka

S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

3 avril 2026

23 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro