Efa nitomany noho ny fahotana nataonao ve ianao?

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
Efa nitomany noho ny fahotana nataonao ve ianao?
""Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra""
Naninona koa ity lehilahy lehibe nigogogogo nitomany? Maty vady? Tsia! Feon'akoholahy voalohany naneno tamin'iny zoma iny no nanindrona ny fony. Efa nanda in-telo ho tsy mahalala an'i Jesoa izy.
Efa voatsindrona am-po noho ny fahotana nataonao ve ianao? Tsy ranomaso teren'ny setroka akory ny an'i Petera fa noteren'ny fahatsiarovan-tena fa diso. Nandà in-telo ho tsy mahalala Ilay tia azy izy. Nibebaka Petera.
In-telo Petera no nandà an'i Jesoa! Ary ianao impiry? Fibebahana manao ahoana ary no andrasan'i Jesoa aminao?
Vavaka:
Jesoa ô Ampandreneso feo toy ny an'ilay akoholahy hampibebaka ny olonao tsirairay
Mombamomba
31 mars 2026
16 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor