Ekeo am-pifaliana ny fihevitry ny Tompo sy ny lalany

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Ekeo am-pifaliana ny fihevitry ny Tompo sy ny lalany
""Dia niarina tsy nandry tamin'ny tany intsony Davida ary nandro sy nihosotra diloilo ary nanova ny fitafiany, dia nankao amin'ny tranon'i Jehovah ka niankohoka ...""
Nivavaka sy nifady hanina nandritry ny hafitoana Davida, nifona sy nangataka tamin' Andriamanitra izy mba hahaveloman'ilay zaza naterany tamin'i Batseba. Maty ihany ilay zaza satria efa nambaran' Andriamanitra mialoha izany. Tsy nisy sahy niteny tamin'i Davida, mbola velona aza ilay zaza, nanao ahoana ny alahelony, maika fa izao efa maty izao? Rehefa ren'i Davida ny vaovao dia nionona izy satria nekeny fa izany no sitrapon' Andriamanitra. Ekeo am-pifaliana ny fihevitry ny Tompo sy ny lalany. Misaora Azy amin'ny zavatra rehetra
Mombamomba
4 septembre 2025
6 vues
5 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor