Faly Andriamanitra rehefa atao eto amin'ny firenena ny sitrapony

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Faly Andriamanitra rehefa atao eto amin'ny firenena ny sitrapony
""Atao anie ny sitraponao ety an-tany ...""
Tian' Andriamanitra ho tsara ny fiainantsika ety an-tany ety, mahafinaritra Azy sady mahaliana Azy ny fanaovana ny sitrapony eo amin'ny lafim-piainana rehetra toy ny fiainan-tokan-trano, ny fanabeazana, ny toe-karena, ny fitondram-panjakana. Ny fanatanterahana izany ihany no ilazana fa manana an'i Jehovah ho Andriamaniny ny firenentsika, izany ihany no mitondra fahasambarana eto amin'ity tany ity
🤲Vavaka : Mivavaha mba hanaovan'ny kristiana ny sitrapon' Andriamanitra eo amin'ny sehatr'asa sahaniny
Mombamomba
3 février 2026
11 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor