Fambolena sy fiompiana : Fanompoana an' Andriamanitra

Fambolena sy fiompiana : Fanompoana an' Andriamanitra
""Ho feno ny trano fitehirizanay, ka hisy vokatra betsaka samy hafa karazana; Hiteraka arivoarivo sy alinalina ny ondrinay any an-tsahanay""
Hoy ny Genesisy 2:15 "Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin'ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy". Fikarakarana sy fampamokarana ny tano no asa fanompoana nampiandraiketin' Andriamanitra ny olombelona tamin'ny voalohany. Hoy koa ny Genesisy 1:28 "Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin'ny hazandrano ao amin'ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin'ny tany". Ny faneken'ny olombelona hitandrina sy hiasa ny tany miaraka amin'ny tso-dranon' Andriamanitra no mahatanteraka ity Salamo 144:13 ity.
🤲Vavaka :
Mivavaha mba hovahan' Andriamanitra ny sakana rehetra tsy hahazoana mampiroborobo ny fambolena sy fiompiana eto amin'ny firenena
10 février 2026
12 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor