Fanantenana ny any an-danitra, iainana sahady ety an-tany!

Fanantenana ny any an-danitra, iainana sahady ety an-tany!
""... noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, ..., izay efa mby eo aminareo, ...""
Ny fanantentana any an-danitra tsy mbola hoe ela ary tsy lavitra fa efa mby eto amintsika sahady. "efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra" hoy Jesoa (Matio 12:28). Alohan'ny hiarahantsika mifaly amin'ny fanantenana any an-danitra dia porofointsika dieny ety amin'ity tany feno faharatsiana ity ny fanjakan' Andriamanitra. Izany no valin'ny vavaka isan'andro ataontsika hoe : "ho tonga anie ny fanjakanao, hatao anie ny sitraponao". Na ho potika sy ho rava aza ity tany ity dia eto sahady no tsy maintsy hijoroantsika vavolombelona hiainantsika ny fanjakan' Andriamanitra. Fanantenana iainana sy ivelomana sahady ary mitondra ilay fiadanan' Andriamanitra ety an-tany avy amin'i Jesoa Kristy.
15 décembre 2025
13 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor