Kristy fiainantsika

Fanaovantsoa valian'olona fankahalana


Fanaovantsoa valian'olona fankahalana
Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo

Fanaovantsoa valian'olona fankahalana

""Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako""

Satrintsika ho tia antsika avokoa ny olona rehetra satria isika asaina mitia ny olona rehetra tahaka ny nitiavan'i Jesoa azy. Fitia mifamaly mahatsara fihavanana. Raha mpanara-dia an'i Jesoa ianao, tsy izany foana no mitranga, tahaka izay nahazo Azy tety ihany no mihatra amintsika. Inona no zava-tsoa tsy nataon'i Jesoa? Nanasitrana karazan'aretina nahazo ny olona maro Izy, namoaka ny fanahy maloto, namoky sakafo ny olona marobe tao anatin'ny hanohanana, nitory teny soa mahafaly. Inona no navalin'ny olona azy? Fisaorana? Fitiavana? Tsia. Fankahalana, famantsihana Azy teo amin'ny hazo fijaliana. Izay tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao tahaka Azy dia halan'izao ontolo izao. Tsy mahagaga izany.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

28 novembre 2025

5 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro