Fanapahan-kevitra atosiky ny Fanahy Masina fa tsy ny hafanam-pon'olombelona

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Fanapahan-kevitra atosiky ny Fanahy Masina fa tsy ny hafanam-pon'olombelona
""Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra""
Ireto mpianatra nandao an'i Jesoa sy nandositra ireto dia nilokaloka sy nanome toky an'i Jesoa araka ny Marka.14:31. "Fa vao maika niteny mafy dia mafy izy (Petera) hoe : Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy handao Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain'izy rehetra (mpianatra)". Fotoana kely ihany ny elanelan'ny fanomezan-toky sy ny fivadihan-pitokisana.
Efa fantatr'i Jesoa mialoha izany satria mbola marefo amin'ny finoana ireto mpianatra ireto, tsy mbola nandray ny herin'ny Fanahy Masina, hafanam-po araka ny maha-olombelona fotsiny no nanomezany toky an'i Jesoa. Tsy tokony ho toy ireo kosa isika amin'izao andron'ny Fanahy izao. Fanahy mahery no nomena antsika.
Mombamomba
20 septembre 2025
3 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor