Fanetre-tena sy fanekena no andrasana amintsika

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Fanetre-tena sy fanekena no andrasana amintsika
""Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao""
Manoloana ny andraikitra sarotra izay iantsoan' Andriamanitra dia maro no mametra-panontaniana hoe : Iza moa aho? Inona moa izay izaho no ampanaovinao izao? Marina tokoa izany, inona moa izay isika mpanota sy malemy no hirahin'ny Tompo? Ny fanetre-tena sy fanekena no andrasany amintsika fa Izy ihany no manao ny asany amin'ny alalantsika. Manoloana ny fanohizana ny asa lehibe nataon'i Mosesy, iza moa izay Josoa? "Tahaka ny nombàko an'i Mosesy no hombàko anao" hoy ny Tompo. Ianao koa, aza mirehereha ho mahavita ny asan' Andriamanitra. "Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasàna na ny fanavaona hahatanteraka ..."
Mombamomba
1 août 2025
4 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor