Fanomezana avy amin ’ Andriamanitra ao amin’izao tontolo izao ianao

Fanomezana avy amin ’ Andriamanitra ao amin’izao tontolo izao ianao
"“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao “"
Hoy Jesoa : “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana fahazavan’aina” - Jaona 8:12. Fa izao koa no marina : “Ianao no fahazavan’izao tontolo izao satria Jesoa fahazavan’izao tontolo izao dia ao anatinao, izay manaraka anao satria ianao manaraka an’i Jesoa dia tsy handeha amin’ny maizina fa hanana ny fahazavain’aina”. Aza misitrika tahaka ny fanaovan-jiro atao any ambany ny latabatra, tsy maintsy apetraka amin’ny toerana ambony ny jiro. Faly ery isika rehefa tsy tapaka ny jiro. Fanomezana avy amin’ Andriamanitra ho an’izao tontolo izao tiany ianao. Aza mandraraka ilo mby an-doha
🤲Vavaka:
Mba hisaotra an’ Andriamanitra ny manodidina anao satria mitondra fahazavana ianao
28 janvier 2026
6 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor