Kristy fiainantsika

Fantaro ny anto-pisianao eto an-tany, soraty ary vakio isan'andro


Fantaro ny anto-pisianao eto an-tany, soraty ary vakio isan'andro
Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino

Fantaro ny anto-pisianao eto an-tany, soraty ary vakio isan'andro

""... Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin'ny fàfana, Mba ho azon'ny mihazakazaka hovakina aza""

Inona no nampahitan' Andriamanitra anao ny amin'ny anton'ny fisianao eto amin'ity tany ity? Inona no tanjon' Andriamanitra amin'ny fahavelomanao? Noforonina hanao inona ety ianao? Sa izay tianao sy mahafinaritra anao no ataonao? Sa manaraka ny rivotra mitsoka sy ny onjan'ny zavatra malaza ety fotsiny ianao dia mivenjivenjy tsy manana anton-dia? Mampahafantatra ny sitrapony izay tsara sy ankasitrahana ary marina ho amin'ny fiainan'ny zanany tsirairay Andriamanitra. Rehefa fantatrao izany dia soraty mazava tsara, ataovy lehibe mba ho hitan'ny masonao na mivoaka ianao na miditra, dia hizotra amin'izany tsikelikely ny fiainanao.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

28 septembre 2025

5 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro