Kristy fiainantsika

Fantaro ny antso maika ilan'ny Tompo anao


Fantaro ny antso maika ilan'ny Tompo anao
Thème du mois : An'ny Tompo ny fahefana

Fantaro ny antso maika ilan'ny Tompo anao

""Ary raha misy manontany anareo hoe: Nahoana no vahanareo io? dia izao no holazainareo: Misy raharaha analan'ny Tompo azy""

Misy raharaha lehibe sy tena maika tian'i Jesoa ho vita haingana eto amin'ity izao tontolo izao ity dia ny fitoriana filazantsara. Nafoiny teo amin'ny hazo fijaliana ny ainy ho famonjena ny olombelona very. Nanaiky Azy ho Tompo ve ianao?

Tsy tompon'ny tenanao intsony ianao. Azy ny zavatra rehetra; ny ankohonanao; ny asanao, ny fahavelomanao, ny volanao, ny tranonao, ny fiaranao, Azy avokoa izany raha tena Tomponao tokoa Izy.

Mpiandraikitra sy Mpitantana fotsiny ianao. Misy raharaha analan'ny Tompo ny fananany. Ampiasao amin'ny tanjona mahamaika Azy izany.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

10 juin 2025

5 vues

1 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro