Fantaro ny sitrapon' Andriamanitra, aoka tsy ho mora ambakaina tahaka ny zaza

Thème du mois : Manantenà an'Andriamanitra
Fantaro ny sitrapon' Andriamanitra, aoka tsy ho mora ambakaina tahaka ny zaza
""Ry rahalahy, aza mba ho zaza amin'ny fahalalana; raha amin'ny lolompo dia aoka ho zaza-bodo aza, fa amin'ny fahalalana kosa dia aoka ho lehilahy tokoa""
"Inona no vaovao?"
"Tsy hita fa izao badolahin' Andriamanitra izao!" hoy ilay namaly.
Tsy mila miasa saina intsony ve izany satria efa raisin' Andriamanitra ho andraikitra avokoa ny fainana rehetra? Tsia! Aoka tsy ho mora ambakaina tahaka ny zaza, tsy mahazo mijanona amin'ny fahazazana ara-panahy, "abd" fotsiny no hain'ny kristiana maro dia efa afa-po izy araka ny Hebreo 6:1.
Ny devoly fahavalo dia mpadainga, mpisandoka, mpamitaka, mpanagoly, na dia ny olom-boafidy aza dia ezahiny fitahina.
Sarobidy ny famonjena, nomen' Andriamanitra saina hahay mamakafaka sy mahay manavaka isika.
Fantaro ny sitrapon' Andriamanitra.
Mombamomba
19 décembre 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor