Kristy fiainantsika

Fantatra ho azy eny amin'ny fiaraha-monina eny izay tahafintsika


Fantatra ho azy eny amin'ny fiaraha-monina eny izay tahafintsika
Thème du mois : Mifampahery ny mpino

Fantatra ho azy eny amin'ny fiaraha-monina eny izay tahafintsika

""satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin'ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin'ny rahalahy maro Izy""

Notendrena hitovy endrika amin'i Jesoa ianao. Izay nateraka indray, naterak' Andriamanitra, dia manahaka an'i Jesoa, Lahimatoa amin'ny rahalahy maro.

Tsy hoe raha sitrapon' Andriamanitra dia mitovy endrika amin'i Jesoa ianao fa tena notendrena ho amin'izany mihitsy ianao. Mitovy endrika amin'ny ray aman-dreny niteraka azy ny zanaka. Ianao ary, manahaka an'i Jesoa ve? Fantatra ho azy eny amin'ny fiaraha-monina eny izay tahafintsika koa manao ahoana ny fiteninao, ny fitondran-tenanao, ny asanao, ny fifandraisanao amin'ny hafa ...? Fijoroana vavolombelona sy fitoriana filazantsara isan'andro ny fiainanao, fahazavàna eo amin'ny fiarah-monina misy anao ianao.


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

30 août 2025

6 vues

5 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro