Fantatrao ve ny raharaha natolotry ny Tompo ho tanterahinao mandra-pihaviny?

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Fantatrao ve ny raharaha natolotry ny Tompo ho tanterahinao mandra-pihaviny?
""Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy ...""
Fantatrao ve ny raharaha natolotry ny Tompo ho tanterahinao mandra-pihaviny? Misy kristiana tsy an'asa, tsy manana anjara fanompoana ve? Kristiana tsotra hono ry zareo, mpamonjy fanompoam-pivavahana indraindray. Na tsy manana andraikitra ao am-piangonana aza ianao, ny fikarakaranao ny ankohonanao sy ny asa fanaonao isan'andro dia fanompoana an' Andriamanitra.
Isan'andro isika no fanasin'ny tany sy fahazavan'izao tontolo izao. Manova ny manodidina anao ve ny fisianao sa ianao no ovain'izao tontolo izao hanao ny fanaony?
Mombamomba
21 novembre 2025
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor