Fantatrao ve ny voninahitra haseho ho anao rahatrizay?

Fantatrao ve ny voninahitra haseho ho anao rahatrizay?
""Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika""
Mavesatra amintsika tokoa ny fahoriana amin'izao ankehitriny izao, tsy manao ny fanaon'izao tontolo izao ianao dia halan'izao tontolo izao tahaka ny nankahalany an'i Jesoa. Izy mihitsy no efa nampiomana hoe : "Aty amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana ...". Maro ny kristiana tsy mahazaka fahoriana, menatra ny hijoro ho vavolombelon'ny Tompo no mivadika. Tanteraka aminy teny hoe : "Fa aoka ho fantatrao fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola ... tia fahafinaretana mihoatra noho ny fitiavany an' Andriamanitra ... nandà ny heriny" - 2 Timoty 3:1-5. Tsy mahalala ny voninahitra haseho ho azy rahatrizay ny kristiana toy izany, lasa kristiana mihatsaravelatsihy, matimaty.
7 novembre 2025
6 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor