Fiadanana tsy azo avy amin'ny harena, hitanao ao amin'i Jesoa

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Fiadanana tsy azo avy amin'ny harena, hitanao ao amin'i Jesoa
""... Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany""
Izay manam-bola aman-karena, mipetraka ao anaty trano tsara tarehy, mihinana sakafo hanim-pitoloha, mamonjy lanonana sy mivezivezy amin'ny fiara amin'izay tiana halehano heverina ho miadana. Samy te hisitraka izany avokoa isika rehetra, tsy ny fananana izany nefa ny fanalahidin'ny fiadanana. "Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy". Misy ireo heverina ho sahirana nefa miaina am-piadanana ary misy ireo milomano ao anatin'ny vola aman-karena non tsy mahita tory sy mandry an-driran'antsy
🤲Vavaka :
Mivavaha mba hampahiratina ny masontsika, hahalalantsika ilay fiadanana tsy misy toa azy ao amin'i Jesoa
Mombamomba
5 février 2026
8 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor