Fiadanana tsy miankina amin'izay ananana ary tsy voasaka'izay tsy ananana

Thème du mois : Mahandrasa, ho avy ny Tompo
Fiadanana tsy miankina amin'izay ananana ary tsy voasaka'izay tsy ananana
""Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo""
Mahantra sy sahirana ny ankamaroan'ny olona amin'izao fotoana izao. Rehefa mahita ny sasany migalabona ao anaty trano tsara tarehy, mihinana hanim-pito loha ary mandeha amin'ny fiara amin'izay tiany aleha dia hoy ny maro : "Miadana ireny olona ireny". Dia tena miadana tokoa ve? Miadan-dratsy!
Tsy tahaka izany ny fiadanana avy amin'i Jesoa. Tsy miankina amin'izay ananana ary tsy voasaka'izay tsy ananana. Fiadanana miainga avy ao am-po, tsy tahaka ny fiadanana omen'izao tontolo izao. Raiso ho anao koa izany
Mombamomba
8 novembre 2025
12 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor