Fiaraha-mivavaka

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Fiaraha-mivavaka
""Ary lazaiko aminareo koa: Raha misy roa aminareo mifanaiky etỳ ambonin'ny tany na amin'inona na amin'inona ka hangataka izany, dia ho azony avy amin'ny Raiko Izay any an-danitra izany""
Mamaly vavaka ny Tompo, marobe ny teny fikasana manambara izany. Asain'i Jesoa nivavaka manokana ao amin'ny efitrano mangina isika "ary ny Rainao izay mahitanao ao amin'ny mangingina hamaly anao" - Matio 6:6. Mbola manamafy izany famaliana vavaka izany Izy raha misy roa mifanaiky hiara-mivavaka.
Zava-dehibe ny fiaraha-mivavaky ny ankohonana, ny mpiara-miasa sy mpinamana ankoatr'izay atao any am-piangonana. Araraoty izany teny fikasana izany.
Mombamomba
11 août 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor