Fifalian' Andriamanitra ny hiainantsika miadana sy finaritra

Thème du mois : Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo
Fifalian' Andriamanitra ny hiainantsika miadana sy finaritra
""... mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy aaka an' Andriamanitra sy ny fahamaontinana rehetra. Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason' Andriamanitra Mpamonjy antsika""
Amin'ny zavatra rehetra mitranga dia misy miteny hoe : "Tsy hita fa izao no sitrapon' Andriamanitra ê!". Tsy mihinan-kanina izy mianakavy, marary, tsy mianatra ny ankizy, maditra ny vady na ny zanaka dia tsotsorin'ny sasany hoe: "izao no anjara sy lahatra ê"
Tsy mandahatra loza eo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona Andriamanitra, ny sitrapony dia ny mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay. Vaovao mahafaly izany, tsy miova izany sitrapony izany ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao. Raha ho tonga any an-danitra izany olona manana fisainana diso izany dia hahazo fanitsiana manokana amin' Andriamanitra, ny zavatra tsy ankasitrahany aza lazaina fa sitrapony.
Mombamomba
20 janvier 2026
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor