Fitoriana filazantsara mora azo ary takatry ny rehetra

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Fitoriana filazantsara mora azo ary takatry ny rehetra
""Koa raha vory ny mpiangona rehetra, ary ny olona rehetra samy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra, ary miditra ny tsy mahay na ny tsy mino, tsy holazainy fa very saina hianareo?""
Fa maninona no misy olona matory am-pitoerana ao am-piangonana? Ny sasany milalao finday, ny sasany mitabataba, maro no kamo mivavaka. Tsy mety izany! Aza dia omena tsiny foana kosa nefa ny olona satria tahaka ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra izay miteny na dia amin'ny teny malagasy ihany aza. Mahamonamonaina, resa-bola foana, omaly tsy miova, tsy mahaliana, ohatry ny lava-be foana ny toriteny na dia 15 minitra ihany aza. Hevero anie ny toritenin'i Jesoa tany an-tendrombohitra sy teny amoron-dranomasina, tsy nisy dabilio, tsy nisy fanamafisam-peo, ny lehilahy fotsiny no 5 000 ny tonga nihaino Azy.
Mombamomba
13 octobre 2025
7 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor