Foana ny finoana tsy misy asa. Inona ilay asa?

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Foana ny finoana tsy misy asa. Inona ilay asa?
""Hianao mino fa iray ihany no Andriamanitra; koa tsara izany ataonao izany; ny demonia koa mba mino izany ka mangovitra. Moa tsy fantatrao va ry olom-poana fa tsy vanona ny finoana tsy misy asa?""
Tandremo sao mitovy amin'ny finoan'ny demonia ny finoanao. Mahalala tsara ny fisian' Andriamanitra mihoatra noho ny fahalalana ny devoly ary mangovitra, saingy tsy hanaiky sy hankato Azy mihitsy. Mitarika olona maro hanahaka azy ny devoly, mino ny fisian' Andriamanitra kanefa tsy tia sady tsy manao ny sitrapony. Foana ny finoana tsy misy asa. Inona ilay asa? Ny fankatoavana ny teniny. "Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo" - Jakoba 1: 22
Mombamomba
2 septembre 2025
11 vues
5 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor