Hadiniko aminao ny ràny

Hadiniko aminao ny ràny
""Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, ...""
"Aleo ho faty amin'ny hadalany any!" Hoy isika rehefa tofoka amin'ny hadalan'ny vady na zanaka na ray aman-dreny na olona ratsy fanahy eo amin'ny fiaraha-monina. Rehefa tsy nafenin' Andriamanitra tamin'i Abrahama ny fikasany handringanana an'i Sodoma sy Gomora dia mahagaga fa nangataka sy nifona ny hialana nenina aminy izy. Sarobidy amin' Andriamanitra isika olombelona, tsy sitrany ny hahafatesan'ny ratsy fanahy. "Mitenana fona na hihaino na tsy hihaino, fa raha tsy hananatra azy ianao dia handiniko aminao ny ràny" hoy Andriamanitra tamin'i Ezekiela. Irahin' Andriamanitra amin'ny ratsy fanahy manodidina anao ianao, mbola hoavy ny fanaovana tatitra sy am-pamoaka. Ny irak' Andriamanitra tsy mety kivy. Mahereza!
Vavaka: Ataovy manahaka Anao izahay, manam-pitiavana tsy mety ritra! Amen
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 13 juillet 2026
13 juillet 2026
123 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman