Hafatra farany

Thème du mois : Miasa ao amin'ny mino ny Fanahy Masina
Hafatra farany
"Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan'ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin'ny hery avy any amin'ny avo"
Talohan'ny hiakaran'i Jesoa any an-danitra dia nanafatrafatra tsara ny mpianatra Izy ny amin'ny fiomanana amin'ny fandraisana ny Fanahy Masina. "Aza miala eto Jerosalema" hoy Izy, miaraha mivavaka, diovy ny fo, miomàna handray ny fanomezana tsara indrindra dia ny Fanahy Masina.
Tahaka antsika handray vahiny manankaja, diovina sy atao mahatamana ny trano. Ny Fanahy Masina tsy vahiny handalo fa ho tompo-trano hitoetra.
Mahaiza mandray vahiny
Vavaka:
Ho toerana mahatamana Anao Fanahy Masina anie ny fonay, diovy sy amboary isan'andro. Amen!
Mombamomba
13 mai 2026
89 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman