Hanaraka ny kajin'ny Tompo sa ny kajin'ny olona

Hanaraka ny kajin'ny Tompo sa ny kajin'ny olona
""Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin'ny folo""
Tsy nisy zara-vilana, afa-po avokoa ny rehetra. "Ny fihevitro tsy fihevitrareo" hoy ny Tompo, fa ny kajin'ny Tompo tsy mitovy amin'ny kajintsika. Araka ny saintsika olombelona, tsy mitombina ny kajin'i Jesoa. Mofo dimy sy hazan-drano roa ve dia azo zaraina ho an'ny olona dimy arivo (ny lehilahy fotsiny), ny valiny dia ny hoe "ary nihinana avokoa izy rehetra ka dia voky", ny ambiny? Roa ambininfolo sobiky! Mahazo sobiky iray avy ny mpianatra ! Betsaka lavitra noho ny natolotra hozaraina ny ambiny!
Rediredy ve izany? Aza mamaky io tantara io intsony ary esory sy ongoty tsy ho ao anatin'ny filazantsara ary ê!
Mahazo tombony izay mino. "Tsy voalazako va fa raha hino hianao dia hohitanao ny voninahitr' Andriamanitra" hoy Jesoa ao amin'ny Jaona 11:40. Hoy koa Izy : "Aza isan'izay tsy mino, fa minoa" - Jaona 20:27b
Mivavaha mba tsy ho voasakan'ny kajikajikajin'olombelona ny famonjena ireo marobe mila vonjy
27 février 2026
4 vues
10 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor