Handray fahefana halatra avy amin'ny devoly?

Thème du mois : Manapaka amin'ny fahefany ny Tompo
Handray fahefana halatra avy amin'ny devoly?
"koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany"
"Ho anao avokoa izany rehetra izany". Ao am-pon'ny olona maro ny faniriana te hahazo fahefana sy fanapahana, harena sy voninahitra, tao am-pon'i Eva izany, ka vao nampilendalendain'ny devoly hoe : "hitovy amin' Andriamanitra ianao", tonga dia nihinana ny voankazo nandran' Andriamanitra azy.
Jesoa aza nalainy fanahy hiankohoka aminy, mainka fa isika? "Ho anao avokoa ny zavatra rehetra", izay manaiky dia omeny saingy azy zato isan-jato, manompo azy, mandrava sy mandringana ary mamono.
Vavaka:
Jesoa ô, anao izahay ary izay Anao dia anay koa, hanompoanay Anao. Amen
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 16 juin 2026
Mombamomba
16 juin 2026
73 vues
1 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Mihossiraman