Hanilika amin'iza ny anton'ny nahatonga izao fahantrana eto amin'ny firenena izao isika?

Thème du mois : Velon'ny finoana ny mpino
Hanilika amin'iza ny anton'ny nahatonga izao fahantrana eto amin'ny firenena izao isika?
""Koa, indreto, andevo izahay izao, ... ary mahavokatra be izy, kanefa ho an'ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany ...""
Andevon'ny firenen-kafa teo amin'ny taniny ihany ny Jiosy. Ny tany nahavokatra be dia ho an'ny tombotsoan'ny vahiny.
Mitovy amintsika malagasy ihany izany. Mahantra eto amin'ity tany manankarena ity isika. Mampalahelo, anisan'ny faran'ny mahantra indrindra manerana izao tontolo izao! Ny jiosy niaiky fa noho ny fahotany no nahatonga izany, fa isika kosa, hanilika amin'iza ny anton'ny nahatonga izao fahantrana izao? "raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny" - 2 Tantara 7:14.
Mombamomba
13 septembre 2025
5 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor