Kristy fiainantsika

Hazo tsara ve dia mamoa voa ratsy?


Hazo tsara ve dia mamoa voa ratsy?
Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo

Hazo tsara ve dia mamoa voa ratsy?

""Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ...""

Foto-boasary mamy dia hamoa voasary marikivy? Tsy araka ny lalan'ny natiora izany. Ny hazotsara dia mamoa voa tsara, ny hazoratsy mamoa voa ratsy. Mpivarotra zana-boakazo mahay miresaka no mamitaka. Olon' Andriamanitra ianao? Nateraka indray ho mponin'ny lanitra? Ao anatinao "ilay voa nafafin' Andriamanitra". Inona izany? "fa efa teraka indray ianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lò, fa tamin'ny tsy mety ho lò, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra" - 1 Petera 1:23

Jesoa ao am-ponao, ny Fanahy Masina no voa nafafin' Andriamanitra mamoa ao anatinao. Mahatonga anao hazo mamoa voa tsara ao anatinao izany! Hamarino tsara. Hazo tsara ve ianao? Ao am-ponao ve Jesoa?

🤲Vavaka:

Mangataha mba hamoa be ao anatintsika Jesoa ao am-pontsika


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

9 mars 2026

5 vues

10 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro