Hevero ny hasarobidin'ny niantsoana anao

Thème du mois : Olomboaantso ny mpino
Hevero ny hasarobidin'ny niantsoana anao
""Hianao izay efa notantanako avy tany amin'ny faran'ny tany ary nantsoiko avy tany an-tsisiny ka nilazako hoe: Mpanompoko ianao, Efa nofidiko ka tsy mba nariako""
Fantatrao ve ny hasarobidin'ny namonjena anao? Lavitra an' Andriamanitra ianao fahiny, tahaka ny tany amin'ny faran'ny tany sy tany amin'ny sisiny, tafasaraka tamin' Andriamanitra noho ny fahotana. Noho ny fitiavany anao tamin'ny alalan'i Jesoa maty teo amin'ny hazo fijaliana, niantso sy nitantana anao Izy. Rehefa nibebaka ianao dia nofidiany hanompo Azy. Hevero ny hasarobidin'izany fiantsoana izany! Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao.
Mombamomba
1 juillet 2025
9 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor