Hevitra mitondra fiadanana

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Hevitra mitondra fiadanana
""Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe""
Josefa, ilay namidin'ny rahalahiny eto no nampahery azy ireo mba tsy ho tratran'ny fanamelohan-tena. Lasa Praiministra nitantana ny famatsiana sakafo nandritra ny mosary Josefa. Tonga nividy vary tany aminy ireto rahalahiny nialona azy ka nivarotra azy ho andevo. Tsy namaly faty Josefa fa nahalala kosa ny tanjon' Andriamanitra manoloana ny fijaliana samihafa niaretany.
Andriamanitra manana hevitra iheverana anao dia hevitra hahatonga fiadanana, ataony miara miasa hahasoa izay tia Azy ny zavatra rehetra na ny fahoriana aza, koa manana fahadiovam-po mandrakariva, misaora Azy amin'ny zavatra rehetra.
Mombamomba
21 août 2025
12 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor