Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra! Marina eto amin'ny firenena ve izany?

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra! Marina eto amin'ny firenena ve izany?
"... hohamasinina anie ny anaranao"
Hataka voalohany ao anatin'ny vavaka tonga lafatra nampianarin'i Jesoa izany. Hajaina, homena voninahitra, homen-kasina anie ny Anaranao. Efa masina, miavaka hatrizay hatrizay ny anaran' Andriamanitra fa isika izay manonona izany mandrakariva ve manome ny hasina sahaza Azy? Alohan'ny fangatahana rehetra tokony hatao dia izany no laraham-pahamehana ao amin'i Jesoa. Fantantsika ny hevitr'ity hataka voalohany ity, mavesa-danja amintsika ve? Tsy mahazo valimbavaka isika satria tsy izany voalohany amin'ny Tompo izany no maha maika antsika. Hamasinina amin'ny fiteny, ny asa, ny fitondran-tenantsika ve Andriamanitra?
Vavaka:
Mba ho hita eo amin'ny fiainanay isan'andro anie ny valin'io vavaka io
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 2 juin 2026
2 juin 2026
99 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman