Ho an'iza ny anton'ny fahavelomanao?

Thème du mois : Mifampahery ny mpino
Ho an'iza ny anton'ny fahavelomanao?
""Fa tsy misy velon-ko an'ny tenany isika, ary tsy misy maty ho an'ny tenany. Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo""
Ny fiangonan'i Jesoa Kristy tany Roma, novidiany lafo tamin'ny rany teo amin'ny hazofijaliana no nanoratan'i Paoly izao epistily izao. Ho an'iza ny anton'ny fahavelomanao eto amin'ity tany fandalovana ity? Hanaovanao izay mahafalifaly anao ve araka ny teny hoe : "aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty" - 1 Korintiana 15:32 MG1865. Ny olona tsy manana fanantenana, tsy nandray famonjena no miteny izany. Hoy Paoly : "... ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo" - 1 Korintiana 6:19b-20
Mombamomba
7 août 2025
6 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor