Ho fitahiana ny hafa no nitahiana anao

Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra
Ho fitahiana ny hafa no nitahiana anao
""... ary ho fitahiana tokoa ianao""
Nahatoky an'i Abrahama sy Joba Andriamanitra. Fantany fa tsy haka ny toeram-panapahana ny fiainan'izy ireo ny harena hany ka samy notahian' Andriamanitra mihoatra izy. Na dia lasa nanankarem-be aza dia tsy nampiova ny fitiavany an' Andriamanitra sy ny fitiavany ny hafa izany. Izay fitahiana rehetra omen' Andriamanitra antsika dia nokendrena ho fitahiana ny hafa. Hoy Jesoa : "manomeza, dia homen’Andriamanitra ianareo; fatra tsara, mihintsana, mifatratra sy avo loha no haidina amin’ny kitaponareo fa izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no mba hamaran’Andriamanitra ho anareo koa" - Lioka 6:38 DIEM
🤲Vavaka :
Mivavaha mba hisy olona maro handray fitahiana avy amin'ny fisianao
Mombamomba
18 février 2026
4 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor