Ho mpitondra fivavahana azon' Andriamanitra itokiana

Ho mpitondra fivavahana azon' Andriamanitra itokiana
"Ary Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy ..."
Tsy nahatoky tamin'ny asa maha mpisorona azy Hofinia sy Finehasa. Efa nahazo ny anjara fivelomany avy tamin'ny fanatitra omen'ny olona izy, mbola nalainy an-keriny ho azy koa ny tsara sy ny matavy avy amin'ny fanatitra dorana ho an' Andriamanitra. Satria mpitondra fivavahana ve ianao dia mety daholo izay ataonao ary tsy azo ahitsy? Dia nanao fanatitra ihany ny olona tamin'izany saingy nataony tamin'alahelo sy fimonomononana. Andriamanitra koa tena nalahelo ka hoy Izy: "Azy Izaho hanangana mpisorona mahatoky ho Ahy ...". Mivavaha mafy mba hataon' Andriamanitra ao amin'ny fiangonana sy ny firenentsika koa izany.
Vavaka: Andriamanitra! Manangàna mpitondra fivavahana mahatoky amin'ny asany, eo amin'ny fiangonana. Amen!
🎧 Henoy : Kristy fiainantsika isan'andro, androany 5 août 2026
5 août 2026
87 vues
1 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Mihossiraman