Kristy fiainantsika

Ho tafavoaka ny tany efitra ianao raha manaiky ho tantanan' Andriamanitra


Ho tafavoaka ny tany efitra ianao raha manaiky ho tantanan' Andriamanitra
Thème du mois : Mampahafantatra ny asan'ny Tompo ny soratra

Ho tafavoaka ny tany efitra ianao raha manaiky ho tantanan' Andriamanitra

""... Izay nitondra ny olony nitety ny efitra""

Vaovao mahafaly tian'ny Tompo tanterahina amin'ny fiainanao amin'ity taona vaovao ity izany. Olon'Andriamanitra tokoa ve ianao? Tahaka ireo Zanak'Israely niala tany Egypta ho any Kanana? Tsy moramora tamin'ireo olon' Andriamanitra ireo no niaina ny fiainam-baovao sy pejy vaovao teo amin'ny tantarany. Faly izy afaka tamin'ny fanandevozana mafy, niaritra koa nefa izy ireo nitety ny efitra sady tsy nihinana intsony ny sakafo matsiro nanambatambazana azy fahiny.

Ny mahafinaritra dia izao, Andriamanitra mihitsy no nitondra ny olony nitety ny efitra. Ianao koa, rehefa miala amin'ny fiveloman-dratsy nahazoana vola-be fahiny dia handalo tany efitra. Afaka amin'ny fanandevozan'ny halatra sy kolikoly sy ny fanaovana an-keriny ianao ary hiaina amin'ny fahamarinana, hihena ny vola miditra aminao, handalo tany efitra ianao.

🤲Vavaka :

Mivavaha ho an'ireo izay sahy niala tamin'ny kolikoly sy halatra amin'ny endriny samihafa ary tamin'ny fiveloman-dratsy


Sary : Fitoriana filazantsara tany ambanivohitr'i Faratsiho ny volana may 2024


S'abonner aux partagesHijery ny hafa
Mombamomba

19 février 2026

7 vues

3 min


Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady

Mpanoratra ny hafatra

Posté par :

Editor

Hikaroka fisaintsainana hafa

Tetiandro