Hokororohina tahaka ny vary isika mba hiavaka ny tena vary sy ny akofa

Thème du mois : Mamoria vokatra ho an'ny Tompo
Hokororohina tahaka ny vary isika mba hiavaka ny tena vary sy ny akofa
""eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara ny no am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina""
Ianao ve dia mitahiry akofa sy mololo any an-tsopitra? Tsia, tsy maintsy esorina hiala amin'ny vary ny akofa sy mololo ary dorana. Efa manavaka toy izany Andriamanitra amin'izao fotoana izao, iza no tena manana an'i Kristy velona ao anatiny ary iza no kristiana sandoka mpanao Tompoko Tompoko fotsiny?
Raha resy lahatra ianao fa maivana tahaka ny akofa sy mololo, dia aza kivy; raha nahazo naoty ambany tahaka ny mpianatra tsy mahay ianao, dia aza miala fa mibebaha mba hahatonga anao ho vary mahatanty fikororohana
Mombamomba
16 octobre 2025
12 vues
3 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor