"Hosana, homboy", mety ve izany?

Thème du mois : Mitarika ho amin'ny fandinihan-tena ny Tompo
"Hosana, homboy", mety ve izany?
""Ary raha nanakaiky Izy ka nahita ny tanàna, dia nitomany azy ka nanao hoe: Raha mba nahafantatra mantsy ianao na dia amin'ity andro ity aza izay momba ny fiadanana! - fa ankehitriny miafina amin'ny masonao izany""
Maro no nanao rebik'ondry fotsiny, nihorakoraka koa nanaraka ny fideran'ny mpianatra hoe: "Hosana, Hosana ho an'ny Zanak'i Davida". Rehefa nitarika koa ny Fariseo dia ireny olona ireny ihany no niara-nanohitra hoe : "Homboy, homboy amin'ny hazo fijaliana!". Tsy nahafantatra an'i Jesoa Ilay Andrianan'ny Fiadanana izy. Nampitomany an'i Jesoa izany, manao hira fiderana nefa jamba, tsy mahalala akory an'i Jesoa Izay derainy. Fantatrao ve Jesoa? Tsy manao hoe : "Homboy amin'ny hazo fijaliana" Aminy intsony ve ianao?
🤲Vavaka:
Andriamanitra ô, vonjeo izahay mba tsy hankalaza anao amin'ny vavanay nefa ny fonay lavitra Anao.
Mombamomba
29 mars 2026
16 vues
10 min
Mpanoratra
P
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Posté par :
Editor