Ianao ray aza mahalala izay tokony ho an'ny zanakao maika fa Andriamanitra?

Ianao ray aza mahalala izay tokony ho an'ny zanakao maika fa Andriamanitra?
""... fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany""
Manahy mandrakariva isika ka mamerimberina ao an-tsaina sy ao am-bava, mieritreritra hoe : "Inona no hohanina, inona no hotafiana, inona no hosotroina". Ahoana no hanefana ny hofa-trano, ny jiro sy rano, ny saran-dalana, ny fianaran'ny ankizy ...?
"Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny Jentilisa fatratra ..." hoy Jesoa. Ny Jentilisa tsy mahallala afa tsy ny ara-nofo sy ny eto ambonin'ny tany ihany, dia tsy mandry andro, tsy mandry alina manao izay fomba rehetra azo atao mba hiainana. "Impiry hiaina?" hoy ny olona ka na efa manana ny sahaza aza dia tsy mionona amin'izany. Mampalahelo ny olona toy izany, tsy manana fanantenana afatsy ny eto amin'ity tany mandalo ity
Hoy ny fanontanian'i Jesoa : "Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?" - Matio 16:26
🤲 Vavaka :
Mivavaha mba ampahiratiny ny masontsika ka ho fantatsika fa tena Ray azo itokiana Izy
22 janvier 2026
14 vues
10 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor