Ilaina isan'andro toy ny fanasina ianao

Ilaina isan'andro toy ny fanasina ianao
""Hianareo no fanasin'ny tany; ...""
Vaovao mahafaly amin'izao taona vaovao izao izany. Mieritreritra mandrakariva izay hahasoa ity tany onenantsika ity Jesoa. Manana vahaolana azo antoka sy mahomby hamahana olana ary hanasitranana ny aretina mihanaka eto amin'ity tany ity Izy.
Efa rivotra iainana eto amin'ity tany ity ny fahalovana, tahaka ny sakafo atelina ao an-kibo isan'andro, toy ny sakafo masiso sy voankazo lo. Izay jeren'ny maso, izay renesin'ny sofina dia maneho ny aretin'ity tany ity ary toa lasa ara-dalana, mety ary tsara aza amin'izao taranaka izao.
Ataovy tahaka ny amin'ity andro ity ianao vao nandre izany teny izany. Rehefa hazavain'ny Fanahy Masina isika ka mahiratra ny masom-panahintsika dia mihoatra lavitra noho ny harena tsy hita pesimpesenina ny lanjan'ity teny ity hoe : "Hianareo no fanasin'ny tany"
🤲 Vavaka :
Misaora Azy fa ilainy isan'andro ianao
24 janvier 2026
13 vues
3 min
Pasitera RANDRIAMALALA Emmanuel mivady
Mpanoratra ny hafatra
Editor